4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambiroa - Tonton Pa

        AMBIROA



Dia lasa indray ny ambiroa

Somary toa lasa aloha

Malahelo anao ny aty

Aiza ianao malakia mba modia



       Dia lasa indray ny ambiroa

       Fa ts voatanako

       Elaela tsy nifoha e!

       Handresy ireo revy taloha



Fotoana fohy no atoriana

Toa tsy tia fandriana

Mandra-pahoviana e!

No itondrako fijaliana



      Mbola heloko hafa ihany

      Izany tia anao izany

      Voady ao am-poko ao

      Ny tsy hampirafy anao

      Mbola heloko hafa ihany

      Izany tia anao izany

      Rehefa tonga aty ianao dia,

      Tsy hiadiady intsony aho



      ...



Dia lasa ho’aho ny ambiroa

Hamangy anao havako

Hira vokatry ny fo

Mangorintsina ny tenako



      Dia lasa tokoa tokoa

      Miangavy ilay Ray tsy toa e!

      Homba ny diantsika roa e!

      Fa fantany izay mahasoa



Fotoana fohy no atoriana

Toa tsy tia fandriana

Mandra-pahoviana e!

No itondrako fijaliana



      Mbola heloko hafa ihany

      Izany tia anao izany

      Voady ao am-poko ao

      Ny tsy hampirafy anao

      Mbola heloko hafa ihany

      Izany tia anao izany

      Rehefa tonga aty ianao dia,

      Tsy hiadiady intsony aho

  

Mbola...

Partager ambiroa

Commenter ambiroa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tonton Pa